Pentathlon Moderne : Hanao fifanintsanana any Portugal ny Malagasy

Mitohy ny dia! Hiatrika ny fifanintsanana maneran-tany amin’ny taranja Pentathlon Moderne any Portugal indray ny delegasionina malagasy, ny volana jona taona 2026 ho avy io, araka ny vaovao voaray teny Ivato, omaly. Mari­hina fa nahazo vokatra tsara, medaly roa, volafotsy sy alimo, ny delegasionina malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny “Laser Run”, izay natao tao Afrika Atsimo, ny faran’ny herinandro teo.
Taorian’io fifanintsanana tany Afrika Atsimo io izany dia hiondrana kely hampiseho ny fahaizany any Eoropa indray ny Malagasy.
Nilaza ny mpanazatra, Harimalala Poun, fa efa ma­nana ny toerany tanteraka amin’ity taranja ity, ny Mala­gasy ary raha mitohy hatrany ny ezaka sy ny fanomanana dia azo antenaina fa hahazoana medaly mihoatra no ho ny tamin’ity. «Manana lenta avo ny Malagasy. Mbola hita ho lesoka ho antsika ny resaka fampiasana an’ilay basy, fa raha any anaty hazakazaka isika, efa tsy mena mitaha amin-dry zareo any ivelany», hoy hatrany ity mpanazatra ity raha nilaza ny zavatra hitany tany Afrika Atsimo.
Tsara ny mampahafantatra fa Rakotoniandraina Haroon Manjaka, nahazo ny medaly volafotsy teo amin’ny sokajy zandriny, U19. Rako­tomalala Jules Andriamizaka kosa, nisalotra ny alimo, ho an’ny Sénior. Ireo vokatra ireo no mametraka an’i Mada­gasikara ho laharana fahafolo, maneran-tany. Miisa efatra ireo mpilalao nandeha niatrika ity fifanintsanana ity.

Fitia Randria

Partager sur: