Velom-panantenana ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa hisy fandraisana ho mpiasam-panjakana miisa 9 000 amin’ny taona ho avy. Hojerena manokana koa ireo mpampianatra Fram.
Nandritra ny fihaonan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta tamin’ireo solombavambahoaka, tetsy Tsimbazaza, no nilazan’ ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio, izay nisolo tena ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, fa miisa 9 000 ireo mpiasa horaisina ho mpiasam-panjakana amin’ ny alalan’ny Poste budgétaire amin’ny taona 2026. Efa misy toerana 3 100 ihany koa hotsinjaraina ho an’ny mpampianatra nivoaka tamin’ny ENS sy foibem-piofanana.
Mpampianatra Fram miisa 8 000 kosa no hahazo fanohanana amin’ny taona 2026. Mitady ny fomba rehetra hahazoana famatsiana hahafahana manofana mpampianatra hatramin’ny 20 000 izay iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ihany koa ny minisitera amin’izao fotoana.
Mahakasika ny fotodrafitrasa.
Misy dabilio miisa 27 520 sy latabatra sy seza mifanaraka amin’izany miisa 6 225 hotsinjaraina amin’ireo sekoly tena mila izany maika. Ho an’ ny distrikan’i Nosy Varika, nangataka dabilio miisa 1 000, nilaza ny minisitra fa efa vonona ireo fitaovana ireo fa ny fomba hahatongavan’izany any an-toerana sisa no hatao.
Tetsy andaniny, ny momba ny fampianarana teknika, hifantoka amin’ny fampifanarahana ny karazana tolotra ara-piofanana amin’ny filana isam-paritra ny minisitera.
Hojerena ny fanofanana arakasa tena ilaina sy mamaly ny filana hitondra fampandrosoana eny ifotony ary tsy handehanan’ny mpianatra alavitra. Arakaraka ny filana eny amin’ny ivontoeram-panofanana no tokony ho tolotra homena isam-paritra.
Hidina hijery mivantana any Betafo ny ekipa teknika ary hijery ny fanofanana afaka hatomboka avy hatrany. Efa misy ny fitaovana enti-mampiofana hahafahana miroso.
Ho an’ny distrikan’i Mahabo, misy ny filana amin’ny efitranom-piofanana izay tafiditra anatin’ny vinan’ny taona 2026.
Tatiana A




