Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa havoaka amin’ny fomba ofisialy ireo mpampianatra mpiana-draharaha, izay nanaraka fiofanana teny amin’ny ivontoeram-piofanana sy fikarohana ara-pedagojia, eny anivon’ny faritra, ny taona 2021-2023.
Efa nivoaka ny tetiandro hanatanterahana izany ka nanokafana ny hetsika omaly, ny tany Arivonimamo, Benasandratra ary Manjakandriana. Mitohy any Antsirabe izany, anio, ary ho an’Ambositra kosa, ny rahampitso.
Mitohy any Mananjary, amin’ny alakamisy. Anjaran’i Maintirano ny zoma, Mandritsara ny sabotsy ary Sambava no mamarana azy amin’ity herinandro ity, ny alahady.
Mitohy izany ny alatsinainy 22 desambra ka anjaran’ny any Ambanja, Antalaha, Augagneur Toamasina, Antsohihy, Ihosy, Mahabibo Mahajanga, Moramanga ary Morondava.
Anjaran’Ambatondrazaka, Antsiranana, Farafangana, Fenoarivo Atsinanana, Mahanoro, Mahazengy Fianarantsoa ary Maevatanàna ny talata 23 desambra. Belemboka sy Toliara kosa no hanatanterahana izany ny alarobia 24 desambra. Aorian’ny fetin’ny Krisimasy ny anjaran’Androy sy Maroantsetra, ny alatsinainy 29 desambra.
Tatiana A




