Gen Y-Tana IV: Nitokana ny QG etsy Anosibe

Notokanana ny sabotsy teo, ny QG an’ny Gen Y-Tana IV, etsy Anosibe Andrefana II. Na­tao handraisana ny fitarainan’ny mponina rehetra eny ifotony io toerana io. Tonga na­­no­trona izany ny minisitry ny Se­rasera sy ny kolontsaina, Ogascar Fenosoa. Ankoatra izay, nanatanteraka fivoriambe teny an-toerana ihany koa izy ireo. Tonga maro nanatrika izany ny mponina eny an-toerana. Fo­toana nihainoana ny hetahetam-bahoaka sy ny olana ara-tsosialy izay mianjady sy iainan’izy ireo ny natao tamin’io andro io. “Amin’ny alalan’iny fa­kan-kevitra iny no hahafahana mitady vahaolana lavitra na fohy ezaka manoloana izany”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Randriamanan­tsoa Lova, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana.

Maro ny fangatahan’ny mponina
Nanomboka tamin’ny 2 ora hatramin’ny 6 ora hariva teo ny fihaonana teo amin’ireo tomponandraikitry ny Gen Y-Tana IV sy ny mponina eny an-toerana. Anisan’ny nangatahin’ireo mponina nanatrika io fivoriambe io ny hijerena sy hanavaozana ireo lalan-kely any anelakelan-trano rehetra eny anivon’ny fokontany tsirairay. Indrindra ireo izay efa simba. Ankoatra izay, tokony haverina ihany koa ny jiro ma­nazava ny eny anelakelan-trano mba hanazava ny lalan’ny mponina sy hisorohana ny tsy fandriampahalemana.
“Fahavalo iraisana ny fa­hantrana sy ny fomba namotehana ny firenena. Tokony ho saro-piaro amin’ity fanjakana ity ny Gen Y satria tompon’ny fanjakana”, hoy kosa ny minisitry ny Serasera sy ny kolon­tsaina, Ogascar Fenosoa, teny an-toerana. Nambarany fa to­kony hatomboka eny amin’ny fokontany ny fandraisana andraikitra, mba hanam­piana ny fitondrana ho any amin’ny fanavaozana.

Mino

Partager sur: