Nahazo kojakoja fototra ny ankizy manana fahasembanana « Autiste », beazina eny amin’ny foibe Autisme Madagasikara Ambatomaro. Nanatanteraka izany, ny alatsinainy teo, ny mpianatra Master II Professionnel, sampam-pianarana Zon’olombelona (Droit de l’homme) eny amin’ny Anjerimanontolo. Maro amin’ ny olona Autiste no manan-talenta sy fahaiza-manao manokana amin’ny sehatra samihafa. Tsapa anefa fa tsy ampy ny manam-pahaizana manokana sy sampam-pianarana mandray azy ireny, na efa misy aza. Tena ilaina anefa izany entina hampivelatra ny talenta ananany, sady ho anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Tsy misy rafitra sy tetibola
Marihina fa toe-tena ny autisme fa tsy toe-pahasalamana. Indrisy fa tsy mbola misy ny rafi-panjakana sy tetibola atokana hikarakarana azy ireny. Manan-jo hisitraka ny zo fototra maha olona izy ireny. Raha tsy hitanisa afa-tsy ny zo ara-pahasalamana sy hianatra, sns.
Andiany fahatelo misalotra ny anarana « Marina » no nanatanteraka ity hetsika ity, nanamarihin’izy ireo ny Andro maneran-tany ho an’ny olona manana fahasembanana, ny 8 desambra, sy ny Andro maneran-tany ho ann’ny zon’olombelona, ny 10 desambra. Taratry ny fanoloran-tenan’izy ireo sy fanehoana ny fahamarinana rahateo ity natao teny amin’ny foibe Autisme Madagasikara Ambatomaro ity.
Njaka A




