Tsipy kanetibe : Tafajoro ireo ligy 5 vaovao

Ankoatra ireo ligim-paritra miisa 7 efa nisy teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, ahitana an’Analamanga, Vaki­nan­karatra, Matsiatra Ambony, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Menabe ary Itasy, mijoro ara-dalàna ihany koa ireo 5 vaovao. Tontosa ny 13 desambra teo ny fifidianana izay ho filoha hitantana azy ireo. Araka izany, lany ho an’i Bongolava, Razaka­manantsoa Onjamampianina Abelinah. Ho an’Amo­ron’i Mania, Rakotovao Daniel Andriantsoavina. Ny an’i Boeny, tantanan-dRakotondranaivo Hanjasitraka Tatamo­niavo. Ny ligin’i Ihorombe indray, lany ho filoha i Lazatiana Aimé Herman, ary i Yvon Patrick Eloi Alphonse ny an-dry zareo Atsimo Andrefana. Miisa 12 izany ireo ligy mandrafitra ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), ho an’ny taom-piasana manaraka.
Dingana manaraka ho an’ny taranja tsipy kanetibe ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny federasionina, hotanterahina ny sabotsy 27 desambra ho avy izao. Tsy misy afa-tsy kandidà tokana ihany ny amin’izany dia ny filoha teo aloha Andrianirina Adrien Julio Edouard. Ireo ligim-paritra teo aloha ihany no afaka mandatsa-bato amin’io.

Tompondaka

Partager sur: