Niakatra an-tsehatra, omaly, tao amin’ny Kianja Complexe Stadium Cote d’Or, Maurice, ny Barea zandriny, lahy sy vavy. Nahita fandresena roa nisesy be izao ny sokajy lehilahy, rehefa nandresy an’i Seychelles, tamin’ny isa 4 no ho 0, sy ny La Réunion, 8 no ho 1. Fahombiazana ihany koa ny an’ny vehivavy, rehefa nanamontsana an’i Seychelles, 11 no ho 0, sy nandavo an’i La Réunion, 3 no ho 2. Marihina fa anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny fifanintsanana ranomasimbe Indianina ity lalao ity.
Hotanterahina, ny 29 desambra izao ny fifidianana izay hitantana ny ligin’Analamanga, taranja basikety, mandritra ny efa-taona manaraka. Etsy ankilany, ligy 3 indray no nahavita izay fifidianana izay, ny faran’ ny herinandro teo. I Solonaiko Princy Dominique, voafidy tao amin’ny ligin’Androy, Ramarosahanina Fréjus, voafidy tao amin’ny ligin’i Diana ary Ratsimaholison Gerald, voafidy tao amin’ny ligin’i Fitovinany.
Araka ny fikarohana natao omaly, nandresy tamin’ny raharaham-pitsarana niadiany tamin’ny Paris Saint-Germain (PSG) i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra. Vokatry ny didim-pitsarana dia voatery handoa vola mitentina 61 tapitrisa euros aminy ny PSG ho fanonerana ny zony tsy voaloa.




