Lalao Fihezama 2025: Mpandray anjara 400 no andrasana

Andro sisa isaina dia higadona ny sabotsy 20 sy alahady 21 desambra hanatanterahana ny Lalao Fihezama (Fi­taizana ny herin’ny zatovo Malagasy) 2025. Hetsika hatao any Manjakandriana. Mpan­dray anjara manodidina ny 400 eo no andrasana, araka ny nambaran’ny filo­han’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond, izay mbola manentana hatrany ho an’ireo maniry ny hiatrika ity fifaninanana ity mba ho tonga maro. Miavaka ny Lalao Fihezama amin’ity taona ity satria nivo­aka kely an’Antananarivo, raha ny fanazavany hatrany.
Tsiahivina fa fotoana ha­ne­hoana firahalahiana, fifankatiavana, fihavanana ary fi­raisankina ity fifaninanana ity. Tanjona ny hitarika ny tanora amin’ny lalana tokony halehany fa tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Tafiditra anatin’ny tarigetran’ny fikamba­nana izany ka ny fitaizana ny tanora amin’ny alalan’ny fa­natanjahantena sy ny kolon­tsaina no hoentin’ny Fihezama ma­mpihatra io tarigetra io. Araka ny fantatra, taranja maro no hifaninana amin’ity Lalao Fihezama 2025 ity, ahitana ireo lalao iraisana toy ny basikety sy ny baolina kitra. Eo ihany koa ireo haiady isan-karazany sy ny hiragasy.
Mbola manentana hatrany ireo malala-tanana vonona hifanohana sy hiara-kiasa amin’ny Fihezama ny filohany, mba hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ity hetsika goavana fanao isan-taona ity.

Mi.Raz

Partager sur: