Andro iray ho an’ny fiantohana: Mbola vitsy ny Malagasy marisika amin’izany

“Mila fanentanana sy fanazavana misimisy kokoa”. Izay no nivoitra tamin’ny Andro natokana ho an’ny Fiantohana natao teny Ankatso, omaly.

Hetsika niarahan’ny Fan­daharanasan’ny Fire­ne­na mikambana mom­ba ny fampandrosoana (Pnud) sy ny Sampam-pianarana ambony momba ny toekarena, fitantanana sy ny hay fiarahamonina ary ireo mpisehatra amin’ny fiantohana eto Mada­ga­sikara ny Andron’ny fiantohana natao omaly, teny Anka­tso.
Miteny ho azy ny tarehimarika raha ny fiantohana ho an’ny Malagasy no hiadiana he­­vitra. Tsy miraika loatra amin’ izany isika. Eo ny tsy fa­halala­na, fa eo koa ny fahefa-mividy tsy ampy hanaovana izany. «Tsy misy afa-tsy 0,6% raha be indrindra ny anjara bi­rikin’ ny fiantohana ho an’ny ha­rin­karena faobe. Taha amba­ny tokoa izany», hoy Razaka­manana Laza, filohan’ny Fi­kambanan’ny orinasa matihanina amin’ny fiantohana. Raha ny fanazavany, na ireo fiantohana tsy maintsy atao araka ny fepetra didin’ny lalàna aza tsy manao izany ny Malagasy. Eo koa ny fiantohana terena toy ny ataon’ny Banky amin’ny findramam-bola dia ilay hahazoana mitrosa ihany no mahamaika fa tsy ny fiantohana. Toy izany koa ny fandehanana any ivelany. Ny visa no ma­hadodona fa tsy ny maha za­va-dehibe ny fiantohana. Misy koa ny fiantohana tokony hatao, toy ny tahiry hitsinjovana ny fahanterana sy ny fisotroan-dronono mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny fianakaviana sy ny firenena ireny olona ireny. Vao teraka no efa tokony hitsinjo ny hoavy lavitr’ ezaka. Raha mahakasika ny fiantohana ny fiarakodia na ny moto indray, izay mora indrindra no ataon’ny Malagasy. Raha miseho anefa ny loza-pifamoivoizana dia tsy ilay fiaranao na ny moto no voaantoka fa ilay niharam-boina sy ilay zavatra simba ihany.
Araka izany, mbola maro ireo misalasala na tsy rototra loatra hanao fiantohana fa re­hefa tra-doza vao mitady va­haolana etsy sy eroa. Efa maro anefa ny tolotra sahaza ny tsirairay ary nanaporofo izany ireo tranohevan’ny mpandray anjara teny Anka­tso, omaly. Ilaina manomboka eto ny fomba fijery miabo manolona ny fiantohana, hialana ny toe-tsaina feno ahiahy.

Vonjy

Partager sur: