Vondrona Sodiat: Mahatratra 85 ireo kaonty nogiazana

Manoloana ny fanenjehana ny mpandraharahara Ravato­manga Mamy, tompon’ny vondron’orinasa Sodiat eto Mada­gasikara. Mahatratra 85 ireo kaonty any amin’ny banky, no­giazan’ny fanjakana malagasy, raha ny fanambarana nata­on’ny tomponandraikitra sy ny mpisolovava ny vondrona, omaly, tetsy Ivato. Mbola nogiazana ihany koa ny fiara 77, ahitana 4*4 marika Toyota Hilux Pick-up sy Sang Yong miisa 22 ary fiara mihaja 12 isa. Manodidina ny 68 isa ireo moto elektrika marika MEV nogiazana. Mbola misy mpiasa vitsivitsy ihany koa nogiazana ny kaontiny. “Misy fiantraikany goavana amin’ireo mpiasa ao aminy izany satria tsy afaka mihodina araka ny tokony ho izy intsony ny orinasa”, hoy ny mpisolovava ny vondrona, Ravonjiarivelo Victorine. Efa manomboka mitokona ireo mpiasa 4000 mahery noho ny tsy fandoavana ny karaman’izy ireo.
Efa nitondra ny raharaha teo anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) ny tomponandraikitra sy ny mpisolovava an’ny vondrona, mba hahafahan’ny mpiasa misitraka ny zony sy hijerena vahaolana mahakasika izany. “Mbola tsy nisy anefa ny valim-pitsarana”, hoy ihany izy. Manoloana ireo olana goavana ireo, mangataka ny hamoahana ny vola ahafahana mampihodina ny orinasa sy handoavana ny karaman’ny mpiasa, indrindra ny amin’ity volana desambra ity, izy ireo. Raha tsy misy vola mivoaka dia tsy afaka mihodina in­tsony ny orinasa ary tsy maintsy hiroso amin’ny “chômage technique” sy hanakatona ny orinasa izy ireo.

Mino

Partager sur: