Taorian’ny Simex farany: Hivoaka ny paikady nohatsaraina

Taorian’ny fanazarantena lehibe voalohany (Simex) teny anivon’ny faritra 15, momba ny fiomanana sy ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza anatin’ny fotoam-pahavaratra, ny herinandro lasa teo, nijery ny lesoka mila fanarenana ha­natsarana ny paikady hiatrehana ny loza ny mpiantsehatra rehetra. Nahitana ny BNG RC sy ny mpiray ombon’ anto­ka ary ny departemanta multidisciplinaire fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eny amin’ny oniversiten’Anta­na­narivo (DMGRC), teny Ano­sy izany, omaly. Ny DMGRC no ivontoerana mamoaka ma­nampahaizana ambony amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (GRC) eto amintsika. Haharitra roa andro ny fifanakalozana, hanampy amin’ny fiarovana sy fanamafisana ho an’ny fahafaha-miatrika sy fanarenana aorian’ny fandalovan’ny voina izany. Ni­fanotrona tamin’ny BNGRC teo amin’ny lafiny teknika ny mpianatra andiany fahavalo ao amin’ny DMGRC nandritra ny fanazarantena andrana le­hibe natao. “Hitondra fomba fijery siantifika ireo manampahaizana ampiarahana amin’ny tombana entin’ny mpiantsehatra mahazatra ka hatolotra anio ny paikady hiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza ha­tramin’ny taona 2030”, hoy ny talen’ny DMGRC, profesora Andrianalijaona Tianamahefa­soa.
“Nahomby ny fanazarantena natao farany teo ary niitatra ny fahaiza-manaon’ny tsirairay”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanan­tsoa Gabriel.

Vonjy

Partager sur: