Hotanterahina manomboka rahampitso ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny isan-tarika. Manodidina ny 20 eo ny ekipa andrasana amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina, voalohany no notontosaina mitokana ny fifaninanam-pirenena isan-tarika ho an’ny eto Madagasikara. Tafiditra anatin’ny programa apetraky ny Federasionina iraisam-pirenena ny Karate-do izany, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Federasionina, Ratefinanahary Émile. Nanombohana ny Herinandron’ny Karate-do malagasy, ny 15 desambra teo, ny Gasshuku nasionaly izay nahitana fampiofanana, fanadinana sy fampiakarana grady, ho an’ny mpikatroka, mpanazatra, mpitsara ary mpandraharaha eo anivon’io taranja io. Naharitra 3 andro izany ary nikatona tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Mahamasina. Tonga nizara ny traikefany ireo andrarezina sy angady nananana ity taranja ity. Nahitana an’i Hanshi Randriamalala Jean David, Andrianizahana Roger, Raharimanantsoa Hugues ary i Ho-Fuh Lone, izany.
Mi.Raz




