Afaka andro vitsy, hanomboka ny Can 2025, taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ity, ny fifanandrinan’i Maroc, mpiampiantrano sy i Comores. Tsara marihina fa i Comores no solontenan’ny ranomasimbe Indianina amin’ity fifanintsanana afrikanina ity.
Laharana fahefatra tamin’ny mpikatroka 13 ny judokas malagasy, Rakotomalala Sandaniaina, nandritra ny lalao afrikanina ho an’ny tanora, tanterahina any Luanda. Dingana goavana no vitan’ity atleta ity izay efa teo am-baravaran’ny fahazoana medaly, raha ny nambaran’ny filohan’ny delegasionina malagasy, Ramanandraivonona Elinjara Luc.
Nigadona an-tanindrazana, ny talata lasa teo, ny delegasionina malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Laser Run, taranja Pentathlon moderne, izay natao tany Afrika Atsimo. Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy satria nandrombaka medaly volafotsy, Rakotoniandraina Haroon, sokajy U19, zazalahy olon-tokana. Medaly alimo kosa ho an-dRakotomalala Jules, sokajy Seniors, zazalahy olon-tokana.




