Baolina kitra – Can 2025: Ny Faraonan’i Egypte no nahazo ny amboara be indrindra

Hitodika any Maroc avokoa ny mason’ny mpitia baolina kitra afrikanina, afaka efatra andro. Hanomboka amin’ny alahady 21 desambra izao ny andiany faha-35 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025). Raha ny antontanisa, mbola ny Fa­raonan’i Egypte hatrany no nandrombaka ny amboara be indrindra. Impito ny egyptianina no nahazo izany. Ny ta­min’ny taona 1957, 1959, 1986; 1998, 2006, 2008, 2010. Mbola izy ireo ihany koa no hany firenena nandray anjara be indrindra hatramin’izay nisian’ity fifaninanana kaontinantaly ity, nahatratra 27. Anisan’ireo mbola tafita ny Faraonan’i Egypte amin’ity. Ao amin’ny vondrona “B” no misy azy ireo, miaraka amin’i Afrika Atsimo sy i Angola ary i Zimbabwe. Heverin’ny maro fa tsara toerana ho tafavoaka voalohany ao anatin’ity sokajy misy azy ireo ityry zareo. Anisan’ireo mbola manatevina ny Faraona rahateo ilay kalazalahy i Mohamed Salah.
Indimy kosa ny Liona tsy voafolak’i Cameroun no nandrombaka fandresena (1984, 1988, 2000, 2002, 2017). Efa in-22 tafita amin’ny Can. Fahatelo, ry zareo Elefantan’i Côte d’Ivoire tompondaka farany sy ny Voromaherin’i Nigeria. Samy nahazo ny amboara intelo avy. Raha ho an’i Maroc, mpampiantrano, faha-20 hiatrehany ny Can ity ary indray mandeha ihany no naha tompondaka azy ireo dia ny tamin’ny taona 1976.

Tompondaka

Partager sur: