Sambany tao anatin’ny tantaran’ny PSI Madagascar no nisian’ny fankasitrahana mpiasa nahavita be teo amin’ny asa nampandraiketina azy. Notolorana mariboninahi-pirenena sy medaly ireo 34 mianadahy naharitra tamin’ny asany.
Mpiasa nahavita be tao amin’ny PSI Madagasikara miisa 34 notolorana ny mariboninahi-pirenena sy ny medalin’ny asa, omaly, tetsy Ankorondrano. Voalohany tao anatin’ny tantaran’ny PSI no nisian’ny fanomezana mari-boninahitra ho an’ireo mpiasa nandritra ny 25 taona niasany teto Madagasikara.
Nomen’ny PSI fankaherezana amin’ny fanohizana ny asa iarahana ihany koa ireo mpiasa nahafeno taona sy nisitraka mari-boninahitra sy medaly ireo. Niantsehatra
betsaka tamin’ny asa fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka ireo mpiara-miasa nankasitrahana ireo.
Maro ny sehatra ara-pahasalamana iarahan’ny PSI sy ny minisiteran’ny Fahasalamana, toy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fampiroboroboana ny fahasalamana ara-pananahana, ny ady amin’ ny tazomoka, … Teo koa ny fitaterana ireo fanafody ary efa tanterahina amin’ny alalan’ny drône izany amin’izao fotoana. Tonga hatrany amin’ ny toerana alavitra indrindra ny fanafody sy ny filana maika ara-pahasalamana. Eo koa ny fifarimbonana amin’ny fanaovam-baksiny.
Manome lanja ny lafiny maha olona ny minisiteran’ny Fahasalamana ary mandray anjara feno amin’izany ny PSI Madagascar ka manao ho laharam-pahamehana ny fiahiana ara-pahasalamana hatrany.
Hifantoka hatrany amin’ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ny PSI, araka ny tarigetrany, raha ny vina ao anatin’ ny 25 taona hoavy. Anisan’ izany ny ady amin’ny VIH/Sida, tiberkilaozy, ny ady amin’ny tazomoka, ny fandrindram-piterahana. Tanjona hatrany ny fanohanana ny fanjakana malagasy amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka.
Tatiana A




