Hidona amin’ny Cosfa, tompon’ny amboaran’i Madagasikara, ny CEA Andranomanalina, izay mitarika vonjimaika eo amin’ny fifaninanana “XXL Top 12”. Lalao fihantsiana fotsiny ihany izy ity, entina hankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby teto Madagasikara.
Tonga ny fotoana nandrasana! Hotanterahina manomboka anio, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby malagasy. Ny ampitso kosa, hisy ny lalao fihantsiana izay hifanandrinan’ny Cosfa miaramila sy ny CEA Andranomanalina. Fihaonana tsy tafiditra anatin’ny fifaninanam-pirenena “XXL Top 12” ity hotontosaina rahampitso ity, araka ny fanazavana voaray tamin’ny Federasionina.
Azo heverina ho toy ny famarananakely ihany izy ity satria samy ekipa matanjaka anatin’ny Top 12 izy ireo. Ny CEA no mitana ny laharana voalohany anatin’ny fifanintsanana nasionaly ary ny Cosfa kosa ny faharoa amin’izany.
Tsara ny mampahatsiahy fa tokony ho natao tamin’io alahady io ny “Super Coupe”, izay hikatrohan’ny FTM Manjakaray, tompondaka sy ny Cosfa, tompon’ny amboara. Noho ny tsy fahafahan’ny mpilalaon’i Manjakaray, voatery izao nosoloina ny CEA izao.
Tsara marihina fa hisy ny fihaonana eo amin’ny Stade SOE sy ny JSTA Ambondrona. Raha ny fanazavana, izy ireo no klioba voalohany eto Madagasikara. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hanao lalao fampihatsiana ihany koa ny mpilalao FTM sy ny FTFA.
Lanonana be…
Manomboka anio, hisy ny lanonana lehibe eny amin’ny Kianja Makis. Ao anatin’izany ihany koa ny fitokanana an’ireo zava-bita teo an-toerana, ary ny fampirantiana ireo tranoheva, izay mandrakotra ny tantaran’ny Rugby malagasy, hatramin’izay.
Fitia Randria




