FIBATANA FONJAMBY : Medaly 4 azon’ny Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny Lalao afrikanina ho an’ny tanora (JAJ 2025), notanterahina tany Luanda, ny alakamisy lasa teo. Medaly 4 indray no no­rombahin’ny Malagasy mpibata fonjamby nandritra ity fifaninanana ity. Nisongadina tamin’ireo mpifanandrina taminy i Onjatiana Herman, tamin’ny lehilahy latsaky ny 56 kg. Na­ha­vita nibata 87 kg izy teo amin’ny “Arraché”, ka nahazo ny medaly volamena. Medaly volafotsy kosa no azon’i Herman, teo amin’ny “Épaulé – Jeté” rehefa nahavita nibata 102 kg izy, nanome ny “Total olympique” 189 kg izany ka mbola nahazoany medaly volamena indray. Medaly volamena 2 sy volafotsy 1, araka izany, no norombahin’i Herman. Teo amin’ny sokajy vehivavy latsaky ny 48 kg, tamin’ny “Épaulé – Jeté” no nahazoan-dRakotonoely Tendry Tsiky ny medaly volafotsy, rehefa nahavita nibata 71 kg izy. Taratry ny fiakaran’ny lentan’ny taranja fibatana fonjamby malagasy izao vokatra izao ary hitarafana sahady ny zava-bitan’ireo taninketsa eo amin’ity taranja ity.

Mi.Raz

Partager sur: