Atleta namiratra: notolorana mariboninahi-pirenena sy mari-pankasitrahana

Niaka-dapa, ny sabotsy teo , teny Iavoloha, ireo mpilalao sy atleta namiratra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tao anatin’ny roa volana.

Notoloran’ny fitondram-panjakana mariboninahi-pirenena sy mari-pankasitrahana ny atleta teo amin’ny taranja Sport automobile, Razanakoto Iaro Niaina. Tompondaka tany Thailand nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’ny 2021 izy, izay na­nova sehatra ho amin’ny Grand Tourismo, tamin’ny taona 2023. Tamin’ny taona 2025 izy no lasa tompondakan’i Azia amin’ny Grand Tou­rismo, niaro ny voninahi-pirenena ta­min’ny alalan’ny fahazoan-dalana ara-panatanjahantena malagasy. Teo ihany koa ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, lahy sy vavy, izay nandrombaka ny amboaran’i Afrika « Cup 3×3 », natao teto Madagasikara, ny 5 hatramin’ny 7 desambra lasa teo. Tora­k’izany koa, ny Malagasy mpikatroka Jiu-jitsu Breziliana. Nahazo medaly volamena Ranaivomanana Idealisoa, vao 8 taona monja. Téo ihany koa Ranarivelo Ando Maha­soa, 8 taona, nahazo medaly alimo. Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Randrianirina Mickaël, fa ny tanora no hoavin’ny firenena ka mendrika tohanana. Nanamafy izany ihany koa ny minisitry ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain, fa fanandratana ny firenena ny fahazoan’ny atleta malagasy vokatra tsara toy izao.

Mi.Raz

Partager sur: