Sehatrasa any ivelany: mila infirmiera 30 000 ny atsy Maorisy

Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny infirmiera, Andriana­rison Botosera (John Love), ny sabotsy teo, tetsy Befelatanana, fa tsy ampy ny infirmiera maneran-tany. Maro anefa ireo efa nivoaka tsy mbola an’asa eto amintsika ka nojerena ny fomba hivoahan’izy ireo any ivelany, araka ny nambarany. « Mbola vitsy rahateo ireo tafiditra ho mpiasam-panjakana na koa eny amin’ny tsy miankina ka tonga eto ny masoivoho hitady infirmiera ho any ivelany », hoy izy. Nambarany fa miisa 45 000 ny infirmiera eto amintsika nefa ny any alemaina fotsiny, mitady hatrany amin’ny 500 000 raha 30 000 kosa ireo infrimiera tadiavin’ny atsy Maorisy. « Tsofinay rano ireo zandry zanaka ireo handeha sy mazoto hiasa any ivelany », hoy ihany izy. Mbola ho avy koa ny masoivoho hikarakara ny fandehanana ho an’ireo ho any Belzika sy Canada na koa ireo firenena hafa any Eoropa, araka ny nambarany.
Nanteriny fa hanamora ny fandehanan’ireo tanora ireo ny eo anivon’ny Holafitry ny infirimiera.

Synèse R.

Partager sur: