Famatsiana rano: miezaka mamaha olana ny minisitera sy ny Jirama

Niara-nampahafantatra ny dingana efa vita sy ny mbola hatao ary ny olana atrehina ny eo anivon’ny minisiteran’ny Rano sy ny avy amin’ny Jirama.

Nambaran’izy ireo fa anisan’ny olana atrehina ary efa nahitana vahaolana ny fahalotoan’ny rano tonga eny amin’ny mponina. « Efa nanao ny ezaka ny Jirama na teo aza izany fikorontanana izany. Olana koa anefa ny fahanteran’ireo fan­tsona sy ny fotodrafitrasa ka efa nikarohana vahaolana », hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Rano, Herinirina Romuald, tetsy Ambohijatovo.
Niaiky koa ny tenany fa efa maro ny mponina eto An­tananarivo raha mitaha amin’ ny fotodrafitrasa efa vita tany amin’ny 30 taona lasa ka mila manenjika izany isika, araka ny nambaran’izy ireo. « Mi­tombo ny filan’ny mponina ny rano amin’izao fotoana izao », hoy ihany izy ireo. Nanterin’ny avy amin’ny Jirama anefa fa efa misy ny vahaolana na eo aza izany. Anisan’izany ny fanorenana fotodrafitrasa ho an’ny rano ary ezahina ny hanatanterahana ireo tetikasa efa mandeha. Eo ny fanoloana ny fantsona sasany.

Hanalefahana ny tsy fahampian’ny rano

Nanterin’izy ireo fa efa misy ny vahaolana avy amin’ ny Jirama hanalefahana ny tsy fahampian’ny rano amin’ny fanakaikezana ny vahoaka eny anivon’ny fokontany sy ny kartie. Manampy izany ireo tetikasa fohy ezaka sy lavitra ezaka avy amin’ny minisitera manokana sy ny avy amin’ny ekipa teknikan’ny Jirama. Misy koa ny tetikasa iarahana amin’ireo mpiara- miombon’ antoka.
Tsiahivina fa maromaro ny fitarainana voarain’ny eo anivon’ny minisitera na koa ny ao amin’ny Jirama ary mihaino izany hatrany izy ireo sy mi­tondra vahaolana. Anisan’­ izany ny fahalotoan’ny rano, efa nitondrana vahaolana. Eo koa ny tsy fahatongavan’ny rano araka ny tokony ho izy fa matetika amin’ny alina, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.

Synèse R.

Partager sur: