Nitondra fanazavana mahakasika ny fandraisana marary ao amin’ny sampandraharaha misahana ny orthopédie, tromatologie ao amin’ny CHU JRA ny profesora Rabemazava Alexandrio, dokotera mpandidy, manampahaizana manokana amin’ny fitsaboana sy fandidiana ny rantsam-batana.
Ao amin’ny rihana fahatelo no misy ity sampandraharaha ity. Mandray an-tanana, isan’andro, ireo aretina mila fandidiana mitranga amin’ny rantsam-batana. Anisan’izany ny dona miteraka fahatapahan’ny taolana. Eo koa ny fery amin’ ny hoditra na nofo na hozatra sy ny fahavoazan’ny vanin-taolana. Ankoatra izany ny aretina avy amin’ny taolana, indrindra fa rehefa miha lehibe ny olona. Ny fahasembanana amin’ny rantsam-batana mila fanarenana. Ankoatra ireo ny aretin’ny taolana mety azo avy amin’ny mikraoba na fivontosana isan-karazany amin’ny rantsam-batana.
Mety misy fandidiana maika tsy maintsy hatao ka raisina isan’andro ireo olona tratran’ ny tampoka na mila izany.
Manana telo andro isan-kerinandro kosa ny sampandraharaha ho fandraisana an-tanana na fandidiana ireo aretina tsy dia maika, toy ny isaky ny talata, ny alarobia ary zoma, tapany maraina.
Anisan’ny hopitaly manana ny dokotera manam-pahaizana ny ao amin’ny CHUJRA ary anisan’izany ny ao amin’ity sampandraharaha ity. Tsy tokony hisalasala amin’ny fanatonana hopitaly ny rehetra.
Tatiana A




