Lakandranon’i Mozambika: arahi-maso ny mety ho fiforonana rivodoza

Noely anaty orana! Raha ny vinavina anatin’ny 5 andro, hahazo vahana ny hamandoana noho ny rotsakorana. Ahina ny ho fiforonan’ny rivodoza.

Nilaza ny firafitra ankapoben’ny toetry ny andro ny Meteo malagasy. Nambaran’izy ireo fa raha ny sary azo avy amin’ny zanabolana sy ireo maridrefy amin’ny morontsik’i Mozambika dia misy tambolon-drivotra tsy mbola marin-toerana tsy lavitra ny morontsiraka.
Raha ny fironana ao ana­tin’ny dimy andro manaraka, hitoetra mandritra izany io tranga io ka hampahazo vahana ny rotsakorana eto Mada­gasikara, indrindra ny afovoan-tany sy tapany avaratra andrefan’ny Nosy.
Misy ny fampitandremana mahakasika ny fahabetsahan’ny rotsakorana manoloana izany. Etsy ankilany, arahi-maso akaiky ny mety hiforonana andro ratsy na rivodoza ao anatin’izany tangoron’
oram-baratra izany, ao amin’
ny Lakandranon’i Mozambika.
Amin’ny ankapobeny, mi­toetra ny tsiokan’ny Talio ao amin’ny Lakandranon’i Mo­zam­bika ary tafidina atsimo kokoa noho ny mahazatra isaky ny volana desambra izany. Mahazo vahana, araka izany, ny tangoron’oram-baratra, manomboka any atsimo sy atsinanan’i Afrika, mahazo ny afovoan’ny Lakandranon’i Mozambika, ary mipaka amin’ ny morontsiraka andrefan’ny Nosy. Midina ny tsindrin’ny ha­baka ary mahazo vahana ny hamandoana.
Mila mailo ny mpanjono sy mpitatitra an-dranomasina amin’ny morontsiraka andrefana manontolo. Mila mitandrina manoloana ny tafiotra anaty oram-baratra. Toy izany koa ny rehetra mba hanaraka ireo toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Ao anaty oram-baratra, araka izany, ny hiatrehana ny fetin’ny misasakalina sy ny andron’ny Noely raha ny toetr’ andro no jerena. Mila miomana amin’izany ny rehetra indrindra ireo kilonga sy ireo tanora manafana ny sasaka­lin’ny Noely. Torak’iza­ny koa ireo kristianina hamonjy fo­toam-bavaka ny andron’ny Noely.

Tatiana A

Partager sur: