Tsy miova ny filaharan’i Madagasikara ao amin’ny Fifa. Nahatonga izany ny tsy fanatrehan’ny Malagasy fifanintsanana iraisam-pirenena tamin’ity volana desambra ity.
Nivoaka afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa ny filaharan’ireo firenena amin’ny taranja baolina kitra maneran-tany. Tsy miova ny laharan’i Madagasikara fa mijanona eo amin’ny faha-105. Tsiahivina fa ny volana novambra lasa teo ny ekipa nasionaly malagasy no nahazo io laharana io. Mety hiova izany noho ny fiatrehan’ireo firenena hafa ambanin’ny laharan’i Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Can 2025”, izay tanterahina any Maroc.
Anisan’ireo hahazo isa ambony ka ahina hisongona ny ekipa nasionaly malagasy i Comores. Ity Nosy rahavavy ity izay miatrika ny fifanintsanana afrikanina, ary raha tafita amin’ny dingana lavitra mandritra izany ry zareo dia mety hihintsana eo amin’io laharan’io ny Barea. Hisondrotra laharana ihany koa i Soudan, raha mahita fahombiazana amin’ity Can ity. Tsara ny mampahafantatra fa mipetraka eo amin’ny laharana faha-117 i Soudan ary faha-109 i Comores. Andrasana amin’ny 19 janoary, taona 2026, ny valin’izany, aorian’ny fifanintsanana “Can 2025”.
Ny hirariana …
Efa indroa amin’ity moa ny ekipa nasionalin’i Comores, niatrika ny fifaninanana afrikanina, raha toa ka tamin’ny taona 2021 no nandraisany anjara voalohany. Mbola indray mandeha tsy niverina kosa ny Malagasy, ny tamin’ny taona 2019. Ny hirariana dia ny mba handraisan’ny Malagasy anjara amin’ny “Can 2027”, ary hahita vokatra tsara, hahazoana tapakila hiatrehana izany fifaninanana izany indray, ny taona 2026 ho avy izao.
Fitia Randria




