Pancrace MMA-Mada 2025: Niakatra ny lentan’ny mpikatroka

Tontosa ny sabotsy 20 desambra teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Pan­crace MMA, taom-pikatrohana 2025. Katrokady 40 no nitranga, nandritra izany. Niakatra ny lentan’ny mpikatroka nandritra ity fifaninanam-pirenena teo amin’ny taranja Pancrace MMA, ity. Tena nahitana taratra izany ny teo amin’ny sokajy taninketsa, raha ny nambaran’ny filohan’ny CMPS (Com­mission malagasy de Pan­crace et submission), ny kolonely Zafindranaivo Zely. « Nihoatra noho izay nampoiziko ny vokatra », raha ny nambarany. Anisan’ny tena nisongadina sy nandrasan’ny maro ny fifandonana teo amin’i Tomy, avy amin’ny klioba Tsunami, sy i Poun, avy amin’ny klioba Taekwondo school, tao amin’ny sokajy A. Voahosotra ho tompondaka i Tomy, rehefa nanao fahadisoana tamin’ny tsy fanarahana fitsipika i Poun. Nata­sahatry ny mpitsara ny ady teo amin’izy roa lahy ireo, noho izany. Tsiahivina, mpiangaly taranja Jiu-jitsu ihany koa i Tomy, raha toa ka mpilalao baolina lavalava i Poun.
Nambaran’ny filohan’ny CMPS fa tapitra amin’io taona 2026 io ny fitantanany ity taranja ity. Nanao antso izy ho an’izay tena tia ny taranja Pancrace mba hitantana indray ny kaomisionina. No­tsindriny fa mbola mianto-tena ny CMPS, hatreto, ka izay manam-piniavana ny hampandroso sy hampiroborobo ity taranja ity no hampirisihany handray ny fitantanana.

Mi.Raz

Partager sur: