Tapitra tamin’ny fiadiana ny amboara nankalazana ny faha-125 taonan’ny rugby teto Madagasikara, natao ny alahady 23 desambra lasa teo, ny fifaninanana ho an’ny taona 2025. Miato aloha izany ny fihaonana rehetra satria hiatrika ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao ny mpilalao rehetra. Raha ny vaovao avy amin’ny Malagasy Rugby, any amin’ny volana febroary indray vao hitohy ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Top 12”.
Anton’izany, ao anatin’ny fanomanana ny “Sevens Challenger Series”, rugby lalaovin’olona 7 ho an’ny sokajy fahatelo, ny Makis an’i Madagasikara. Fihaonana hotanterahina any Dubai, ny 17 sy 18 janoary 2026. Raha tsiahivina, firenena 8 no hiady izay ho lohany amin’io ka ao amin’ny vondrona “B” ny Makis, miaraka amin’i Bélgique, Canada ary i Italie. Tafaraka ao amin’ny sokajy “A” kosa i Colombie, Hong-Kong Chine, Samoa ary i Tonga. Io no heverin’ny rehetra fa maozatra satria hivondronan’ireo sangany amin’izao fotoana izao. Tafita amin’ny sokajy faharoa izay ekipa roa voalohany amin’ity.
Tompondaka




