Fankalazana ny noely: mitety hopitaly ny mpanao asa soa

Amin’izao ankatoky ny fetin’ ny Noely sy ny faran’ny taona izao, nahatsiaro ny marary ma­naraka fitsaboana etsy amin’ny CHU JRA ny fiangonana FVK FM tamin’ny alalan’ny sampana ara-tsosialy ao aminy.
Nanome vary, menaka, sa­vony sy kojakoja ilaina andavanandro izy ireo. Indroa isan-taona no hanatanterahina iza­ny hetsika fanohanana ny ma­rary izany, raha ny fanazavana nentin’ny pasitera François. Manome ra maimaimpoana hatrany amin’ny 400 paosy koa ny fiangonana, amin’ny alalan’ ny kristianina ao aminy.
Andiany faha-17 ny hetsika natao omaly, ary hitohy ha­trany izany. Manodidina ny 100 ireo olona nisitraka fa­nampiana. Nomena tombony ny ankizy sy ireo marary tena mila tohana.
Tsy ny ara-panahy ihany fa misy koa ny sampana so­sialy ao amin’ity fiangonana ity. Ao ny Kaleba izay fitaizana zokiolona mba hanomezana tolotra ho azy ireo. Ny fi­kambanan’ny tanora hisarihana azy ireo amin’ny zavatsoa ho tonga olom-baovao. Ao ny fizaran’ny fiangonana sakafo mafana sy lamba firakotra ho an’ny mpatory an-tsena. An­koatra izay, ny vondrona mi­ahy ny olona mifonja, mizara vary sy lamba ho an’ny voafonja. Misy ny vondrona ma­riazy hanampiana ny olona hi­ditra amin’ny fanamasinana ny tokantrano.
Nankasitraka ny fifanampiana toy izao ny tomponandraikitry ny hopitaly, Rakotobe Nomenjanahary. Ilain’ny ma­rary ny tohana, na ara-tsaina na ara-pitaovana, hanampy ny fikarakana efa ataon’ny dokotera.

Tatiana A

Partager sur: