Niala sasatra ny ekipa rehetra miatrika ny Can 2025 any Maroc, omaly, ary samy nankalaza ny fetin’ny Krismasy avokoa. Efa tapitra nahavita ny andro voalohany avokoa izy ireo. Hitohy anio ny fifanintsanana ka hisantatra izany indray ny vondrona “A” sy ny “B”. Anisan’ny lalao hahaliana ny rehetra ny an’i Comores sy Zambie.
Hiditra amin’ny andro faharoa, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), taranja baolina kitra, ao Maroc. Tsiahivina fa tsy nisy ny lalao omaly noho ny fankalazana ny andro Krismasy. Hisantatra izany indray, amin’ity anio ity, ny ao amin’ny vondrona “A”.
Anisan’ny lalao andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Coelecanthes Comores sy i Zambie. Lalao hotanterahina ao amin’ny Kianja Mohammed V, Casablanca. Raha toa ka tojo faharesena eto mantsy ny kaomorianina, avy hatrany dia manao veloma ny Can. Ratsy toerana kosa ny zambianina raha sendra faharesena.
Tsy vahaolana ho an’ireto ekipa roa ireto izany ny faharesena fa tsy maintsy mitady fandresena avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Raha tsiahivina, efa resin’i Maroc tamin’ny isa 2 no ho 0 i Comores, nandritra ny andro voalohany, raha nisaraka ady sahala 1 sy 1 kosa i Mali sy i Zambie. Hangotraka, araka izany, ny fifandonan’izy ireo. Nanambara ny mpanazatran-dry zareo Coelacanthes fa raisin’izy ireo ho toy ny famaranana kely ity lalao hifanandrinany amin’i Zambie ity.
Etsy ankilany, hiady lohany i Mali sy i Maroc; izay efa samy manana isa 3. Tafita amin’ny ampahavalon-dalana avy hatrany izay mivoaka eto. Heverin’ny rehetra fa hanana tombony ny maraokanina amin’ity, izay hilalao eo an-jaridainany sy ny mpomba azy.
Ankoatra ireo, hisy koa ny lalao ho an’ny sokajy “B”. Hifanandrina i Zimbabwe sy i Angola. Lalaon’ny samy resy ihany koa io ka hangorom-damba izay lavo eo. Fifanandrinan’ny samy mpandresy kosa ny an’i Afrika Atsimo sy i Egypte. Voalohany ao amin’ny vondrona misy azy, izay tafavoaka amin’izy ireo.
Tompondaka




