MTT 4-Razanajatovo Carine: “Mahavelombolo ny fivoaran’ny Muay Thai malagasy”

Nahitana taratra ny fiakaran’ny lentan’ny taranja Muay Thai eto Madagasikara ny fifaninanana “Muay Thai Tourna­ment”, andiany fahefatra, notanterahina teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny mpikarakara, Razanajatovo Carine, filohan’ny klioban’ny GISL (Grande île sport et loisirs) fa nampitolagaga avokoa ny ady rehetra nitranga nandritra ity famaranana lehibe ity. “Araka izay anarany izay mihitsy hoe famaranana lehibe, tena nampitolagaga daholo ny ady rehetra nitranga”, hoy ny nambarany. Niady mafy daholo ary nampiseho teknika niavaka sy avo lenta ireo mpikatroka. Nisy ireo nahasahy nifanandrina tamin’ny tompondakam-pirenena. Anisan’ny ady nafana ny teo amin’i Manoa (GISL) sy i Voary (Black Tiger’s), teo amin’ny latsaky ny 51 kg, vehivavy. Rehefa nifampitàna nandritra ny fihodinana voalohany sy faharoa izy mirahavavy dia nanatombo i Voary tamin’ny “round final” ka nivoaka ho mpandresy. Nahavita nanala vela, araka izany, i Voary, raha toa ka resin’i Manoa izy, tamin’ny MTT 3 natao tany Toamasina, ny volana novambra lasa teo. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy, kosa mbola nampisehoan’i Olga (GISL) ny fahaiza-manaony indray ny mpifandrina taminy izay niova tamin’ity MTT 4 ity, tsy iza izany fa i Annah (Team Dam), izay resin’i Olga tamin’ny isa 3 no ho 0.
Miomana sahady amin’ny “Trophée de Choc”
Tafiditra amin’ny fanomanana ny “Trophée de choc” hatao amin’ny taona 2026, ireo fifaninanana rehetra nokarakarain’ny klioban’ny GISL ireo, araka ny nambaran-dRazanajatovo Carine. Ireo nisongadina sy namiratra nandritra ny MTT 1,2,3 ary 4 no homanina indray hiatrika ity “Trophée de choc” ity. Mbola misy ny fanazarantena homena azy ireo. Hiroso sy hitady izay hampivoarana hatrany ny Muay Thai malagasy ny mpikarakara ary mankasitraka ireo nanohana sy mbola hanohana azy ireo, anisan’izany ny Henri Fraise.

Mi.Raz

Partager sur: