METFP: roa andro ho an’ny Fampianarana teknika

Mikarakara hetsika fampahafantarana sy torolalana mahakasika ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny minisitera, etsy Mahamasina, ny 29 sy 30 desambra izao.

Hoavy hampahafantra ny karazana tolora ara-piofanana ao aminy ireo sekoly mampiofana sy mampianatra arakasa eto Antananarivo.
Fotoana hisarihana ny sain’ny tanora ho liana amin’ny fampianarana teknika kokoa, izay anisan’ny lalana isokafana avy hatrany amin’ny sehatry ny asa ity hatao ity.
Raha ny salanisa, mbola vitsy ireo tanora misafidy ny lalam-piofanana teknika mi­hoatra amin’ny fampianarana ankapobeny.
Tany aloha, nisy ny fiheverana fa ny lehilahy ihany no misehatra amin’izany fampianarana teknika sy fanofanana arakasa izany, kanefa tena misy ny vehivavy mianatra amin’izany.
Toerana hahafahana miresaka mivantana amin’ireo tomponandraikitry ny sekoly mihitsy, araka izany, ireo roa andro etsy Mahamasina ireo.
Nilaza ny minisitera fa eo ihany koa ny hanararaotana handraisana ireo sekoly tsy mbola anatin’ny sehatra ara-dalàna ary hanentanana azy ireo hiditra amin’ny ara-dalàna mba haha marim-pototra ny fampianarana sy fanofanana arakasa ao aminy.
Tsy ireo tanora vao afaka bakalorea ihany fa eo indrindra koa ireo mbola maniry ny hanohy fianarana na mitady lalam-piofanana hafa tsy dia mbola be mpanana.

Tatiana A

Partager sur: