Hetsika Makalombo: mpatory an-dalana 5 000 nizarana sakafo

Nahatsiaro manokana ireo fianakaviana latsaka an-katerena ary tsy manan-kialofana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ny alin’ny 24 desambra teo. Nanatanteraka hetsika Makalombo tamin’ny boriborintany enina teto Antana­na­rivo Renivohitra izy ireo. Nizara sakafo mafana ho va­tsin’aina hiatrehana ny fetin’ny Krismasy.
Mendrika ny hisitraka ny fety na dia anisan’ireo fianakaviana sahirana aza izy ireo ka izao nizarana sakafo mafana izao. Nahitana zokiolona, ankizy, zaza menavava, olona manana fahasembanana, ve­hivavy bevohoka, reny mananontena, olona tsy salama…. tamin’ireo nomena tohana manokana ireo.
Manodidina ny 5 000 ireo nisitraka izany manerana ny boriborintany enina.
Ankoatra ny fizarana sakafo, nihaino ny fitarainan’ireo olona mpatory an-tsena ihany koa ny minisitra. Miharitra ny mafy ireo tsy manan-kialofana rehefa fotoam-pahavaratra toy izao satria ifanisihana ny sisin-dalana misy fialofana.
Tena ilain’ny olona sahirana ny tohana entin’ny fitondram-panjakana ary tafiditra amin’izany ireo mpatory an-dalana izay miha mitombo hatrany.

Tatiana A

Partager sur: