Tafaverina an-tanindrazana, ny alakamisy 25 desambra teo, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Rabearivelo Bono Stephano, rehefa avy nanao fitsapana tany France, nandritry ny 1 volana. Araka ny tati-baovao nomen’Andriatsima Faneva Ima, vy nahitana sy angady nananana izany ary nikarakara azy tany an-toerana, klioba telo no nanaovany sedra, dia ny FC Nantes, Paris FC ary AJ Auxerre. Vita tanteraka izany ankehitriny ka miandry ny valiny avy amin’ ireo tomponandraikitra teknikan’ireo ekipa ireo ny tenany. Raha toa ka mahafa-po izany, hanainga amin’ny fiandohan’ ny taona 2026 izy ary hamonjy izay klioba vaovao hilalaovany. Tsiahivina fa ny 18 novambra lasa teo no tonga tany France ny tovolahy. Avy hatrany dia niatrika ireo fitsapana maro samihafa tamin’ireo klioba ireo.
18 taona i Bono ary mpilalaon’ny Disciples FC. Vodilaharana havia no toerana misy azy eny ambony kianja. Anisan’ireo vy nahitana sy angady nananana tamin’ny fahazoan’ny Barean’i Madagasikara ny medaly volafotsy, nandritra ny Chan 2025, farany teo. Tsy mbola fantatra na ho anisan’ireo mpilalao hiatrika ny “Grand défi” any Toamasina rahampitso alahady i Bono, na tsia. Na izany aza, manohy ny fanazaran-tenany hatrany izy, amin’izao fotoana izao.
Tompondaka




