Tanterahina any Doha Qatar, nanomboka omaly hatramin’ny 30 desambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany “Fide”, amin’ny taranja échecs (rapide sy Blitz). Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Ilay laharana voalohany, Malagasy milaravinahitra any ivelany, Rakotomaharo Fy Antenaina, no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Anisan’ny tafiditra amin’ny fifaninanana goavana ho an’i Fy ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany ity satria hahafahany mampitombo isa hahatongavany ho “Grand maître international”. Tompondakan’i Madagasikara Rapide & Blitz eo amin’ity taranja ity. Hotontosaina anio sy rahampitso, eny amin’ny MPTC Andranobevava, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana hamaranana ny taona ho an’ny Federasionina malagasin’ny taranja échecs ity fifaninanana ity, ho an’ny taom-pikatrohana 2025. Raha hiverenana kosa ny mahakasika ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, isan-tarika, notontosaina teny amin’ny Kajy-U, University By-pass, ny faran’ny herinandro, ity fifaninanana ity. Nahitana mpandray anjara 125, avy amin’ny klioba
25 manerana ny Nosy. Toy izao ny vokatra nandritra izany: FM-Razanadrakotoarisoa Toavina (5/6),CM-Rakotomaharavo Dylan (5,5/6) Rakotomanga Henintsoa Anthony (5/6), WCM-Randriatsiferana Dimbiharentsoa Christiana (4,5/6).
Mi.Raz




