IHSM- Oniversiten’i Toliara: azo havadika ho plastika levona ny lomotra

Miroborobo ny fikarohan’ny mpianatra ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), Oniversiten’i Toliara. Anisan’ny miavaka ny fitrandrahana ny lomotra.

Anisan’ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroka ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), ao amin’ny oniversiten’i Toliara, izay ivontoerana tokana mampianatra sy manao fikarohana momba ny ranomasina eto Madaga­sikara, ny nahazoana ny spiruline. Fambolena lomotra no manome ny spiruline ka na­nomboka ny taona 1990 ny fikarohana momba azy izay miteraka loharanom-bola ma­haritra ho an’ny sehatra maro, hatramin’izao. « Sady amidy ho fidiram-bola no omena maimaimpoana ny ivontoerana misahana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ny ampahan’ny vokatra spiruline », hoy ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny IHSM, Dr Ravelo Vololonavalona.
Voka-pikarohana iray hafa koa, avy ao amin’ny IHSM ihany, ny teknika fiompiana zanga (concombre de mer) ampiasain’ny orinasa lehibe, indrindra aty amin’ny ranomasina Indianina, amin’izao fo­toana izao. « Ny fikarohana manokana mifototra amin’ny fiompiana ny zanga dia nahazoana nametraka orinasa mifehy ny famokarana izany mandritra ny taona amin’ny toerana voajanahary na koa amin’ny fiompiana azy », hoy ny mpampianatra mpikaroka momba ny fiompiana hazandrano ao amin’ny IHSM, Ra­solofonirina Richard.
Amin’izao fotoana, mamarana ny fikarohana momba ny famokarana plastika mety levona avy amin’ny lomotra volena eto Madagasikara ihany koa ny mpianatra mpikaroka ao amin’ny IHSM. Azo avadika ho harona plastika na akora hafa vita amin’izany ny lomotra. Misy ny fiantsoana fiaraha-miasa miaraka amin’ ny sehatra tsy miankina mikirakira ny akora plastika, araka ny fanazavan’ny mpianatra ao amin’ny IHMS, i Emahafary Hilaire.
1 200 ny isan’ny olona voaofana tao amin’ny ivontoerana hatramin’ny taona 2023. 74% ny tahan’ny fahitana asa aorian’ny fianarana.

Vonjy

Partager sur: