Fihotsahan’ny tany: trano 450 tandindonin-doza noho ny rotsakorana

Raha ny tombana avy amin’ ny foibe famantarana ny toetry ny andro, mbola hitohy ny ro­tsakorana eto Antananarivo. Nidina ifotony ny BNGRC sy ny mpiantsehatra rehetra amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza momba ny fihotsahan’ny tany eny amin’ ny vohitr’i Manjakamiadana, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao, nanomboka ny volana novambra lasa teo, mandefa ekipa teknika mitsi­rika ifotony ny zava-misy eny an-toerana ny tomponandraikitra. “Tsapa fa efa manom­boka vonton-drano ny tany
ary hita ireo fambara ifotony momba ny mety ho fihotsa­han’ny tany. Mitsika any am­ba­nin’ny tany ny rano ka am­bony ny tahan’ny hamandoan’ ny tany ary ambony manaraka izay ny faharefoana. Hiakatra, noho izany, ny ambana eny an-toerana amin’ny ilany atsinanana sy andrefana”, hoy ny mpanolotsaina teknika ao amin’ny BNGRC, Dr Andria­mirado Lalah.
Ao anatin’ny asa fisorohana ny ekipa amin’izao fotoana izao, napetraka ny « Sirène » hanamafisana ny filazana fa­nairana ho an’ny olona rehetra mipetraka amin’ny faritra ahina hihotsaka, ahafahana manamora ny fomba fifin­drana. Entanina ireo olona afaka mifindra satria rehefa mirotsaka be ny orana ka maneno ny « Sirène » mampilaza ny loza mihatra (alerte rouge), tsy maintsy miala daholo ireo mponina voaka­sika. Trano1 490 no voakasika sy tandindonin-doza amin’ny fihotsahana ary ny 450 amin’ ireo tena akaiky ny ambana.

Vonjy

Partager sur: