Tanterahina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, amin’izao fotoana izao, ny Foara Torolalana ho an’ny tanora. Samy mahazo tombony ny mpianatra sy ny toeram-pampianarana.
Nanomboka omaly, hifarana anio, ny hetsika Foara Torolalana ho an’ ny tanora. Tanterahina etsy amin’ny Kianja Barea ny hetsika. Ahitana tranoheva 20, misy ny ivontoeram-panofanana tantanin’ny fanjakana sy ireo sehatra tsy miankina mpiara-miasa amin’ ny minisitera. Mikarakara ny foara ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa eto Analamanga. “Hitohy hatrany ny fanampiana amin’ny fampahafantarana ny tolotra fiofanana sy fanofanana sahanin’ny minisitera”, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio, omaly, teny Mahamasina. Ampirisihina koa ny ivontoerana rehetra hiditra amin’ny ara-dalàna.
Maniry ny hanatona ny vahoaka rehetra ato anatin’ny faritra Analamanga, hitondra fampahafantarana ny fiofanana teknika sy ny fanofanana arakasa misy, ny faritra. Maro ny filana ho an’ny kaominina rehetra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Faritra mpisolo toerana, Raharinirina Clémence.
Lalana haingana sy azo antoka hitondra amin’ny tontolon’ny asa ny fanofanana arakasa sy ny fampianarana teknika. Manentana ny tanora hisafidy izany ny tomponandraikitra. Mbola vitsy raha mitaha amin’ny fampianarana ankapobeny ny mpianatra misafidy ny lalam-piofanana teknika.
Hita taratra mandritra ny roa andro ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ny tanora. Tranoheva 20, ahitana ireo tolotra fiofanana aorian’ny BEPC sy ny bakalorea no nandray ireo mpitsidika. Anisan’ireo ny Lycée technique Ampefiloha (LTA) manofana ny tanora hifehy ny sakafo sy ny fandraisam-bahiny, zaitra sy lamaody, céramique…
Vonjy




