Aretina ongobe, bilarziozy, sakoitra: nizarana fanafody maimaimpoana ny ankizy

Mitohy ny asa ho an’ny fa­hasalamam-bahoaka. Vita soa aman-tsara ny fanaovam-baksiny faobe ho an’ireo zatovovavy hisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy vaksiny ho an’ny zaza hisorohana ny fiparitahan’ny kitrotro. Mitodika manokana amin’
ny zaza (5-14 taona) indray ny fizarana fanafody misoroka amin’ny bilarziozy. Mahazo ny anjarany koa ny zaza mihoatra ny roa taona no miakatra. Homena ny fanafody misoroka amin’ny ongobe sy filariozy izy ireo. Nozaraina maimaimpoana nandritra izany koa ny fanafody “Albendazole sy Pra­ziquantel”.
Marihina fa manampy amin’ny fisorohana sy fitsaboana ny aretina vokatry ny katsentsitra, indrindra ho an’ny ankizy sy ny vondrona marefo ireo fa­nafody ireo. Entina manamafy ihany koa ny fahasalamany.
Nanentana ny mponina voakasika ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka handray anjara mavitrika nandritry ny hadimiana, manerana ny Nosy. Tanjona hoy ny tomponandraikitra ny ho fiarovana ny fahasalaman’ny tsirairay. Nisy ny mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanohanana ny asa ho an’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fizarana fanafody faobe. “Aleo misoroka toy izay mitsabo”, hoy ny teny filamatra.

Vonjy

Partager sur: