By-Pass: mpitondra moto nofaohan’ny 4×4

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny By-Pass, afakomaly tolakandro. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko fotsy nandona mpitondra moto.

Nipitika nivoaka ny arabe ilay mpitondra moto sy ny olona iray hafa ary ny moto notaingenan’izy ireo nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny By-Pass, tsy lavitry ny orinasa Habibo, afakomaly tolakandro. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko fotsy nifanohi-dalana tamin’io moto io. Nangalatra tampoka tamin’ny arabe misy ilay moto ny mpamilin’ilay fiara. Nifatratra avy hatrany tamin’ilay mpitondra scooter ny 4×4 nentiny. Nipitika ivelan’ny arabe ny mpitondra moto. Mafy ny dona nahazo ireo mpitaingina moto, araka ny hita tao anatin’ny horonantsary nirakitra ny zava-nisy tao amin’ny toerana iray fanadiovana fiara teny amin’ny manodidina. Nifa­mon­jen’ireo nanatri-maso ny naratra ka nentina avy hatrany eny anivon’ny toeram-pitsaboana. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ilay fiara nivily tampoka ka nangalatra tamin’ny lalan’ny hafa. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Ma­noloana ny tranga lozam-pifamoivoizana matetika eto an-dRenivohitra, nanao be midina ny polisim-pirenena nanentana ireo mpampiasa lalana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Natsidik’izy ireo tamin’ny mpamily fiara, mpitondra moto, hatramin’ny mpitondra bisikileta, fa misy ny lalàn’ny fifamoivoizana ary tokony hajaina toy ny anakandriamaso izany. Handray andraikitra hentitra ho an’ireo minia ma­nao fandikan-dalàna izy ireo nanomboka ny sabotsy lasa teo, araka ny fanazavan’ny Tale jeneraly lefitry ny polisim-pirenena. Ity farany izay nitarika ny ekipany nidina an-dalambe nitondra fanentanana ho an’ireo mampiasa lalana, ny sabotsy 27 desambra.

Tsiferana R.

Partager sur: