Nanatanteraka fitsidihana tany Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny delegasionina avy amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, notarihin’ny filoha, Pr. Randrianasolo Rivoarison, ny fiandohan’ity herinandro ity.
Nandritra io fitsidihana io no nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fisokafan’ny oniversite manakaiky vahoaka tantanin’ny Oniversiten’Antananarivo any amin’ny faritra Bongolava.
Hifantohan’ny Oniversiten’Antananarivo ny fampandehanana ity oniversite vaovao hisokatra ity ka natolotra tany an-toerana ihany koa ireo tomponandraikitra hitantana azy. Tale ny Pr Rakotomahevitra Andrianelison, filohan’ny filankevitry ny sekoly kosa ny Dr Ranaivoarisoa Freddy. Ahitana seha-pampianarana efatra ny oniversite vaovao : “Sciences de la société”, “Sciences et technologies”, “Sciences de l’ingénieur” ary ny “Arts, lettres et sciences humaines”. Nanamafy ny filohan’ny Oniversite fa tsy ho latsa-danja amin’ny eny Ambohitsaina ny fampianarana sy fampiofanana hatolotra ny faritra Bongolava.
Mba hanombohan’ny fampianarana ho an’ny taona 2026, efa nanomana trano fianarana vonjimaika ny tomponandraikitra any an-toerana. Ao amin’ny ivontoeran’ny Faritra Bongolava ny birao vonjimaika handraisana ny fisoratana anarana. Nihaona tamin’ny solontenan’ny mpandraharaha avy amin’ny faritra Tsiroanomandidy ihany koa ny filohan’ny Oniversite ka nanamafy ireto solontenan’ny mpandraharaha fa vonona ny hiara-miasa sy hanohana ny Oniversiten’i Bongolava.
Nandray ny filohan’ny oniversite ireo olom-panjakana avy ao amin’ny Faritra Bongolava. Nahitana ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, Raholijaona Harson, Prefet an’i Tsiroanomandidy, Raheriarisata Fenotojoso. Teo koa ny lehiben’ny Faritra mpisolo toerana, Razafimahatratra Rojo ary ny ben’ny Tanàna ho an’ny kaominina Tsiroanomandidy, Razafindredohy Mananjara Jaona. Nilaza ny fahavononany hanampy amin’ny hanafainganana ireo pitsompitsony ilaina rehetra izy ireo.
Vonjy




