Kaominina Ivato: fianakaviana marefo 850 nizarana PPN

Ho fiatrehana ny faran’ny taona sy fitsenana ny taom-baovao 2026, nahatsiaro ma­no­kana ireo fianakaviana sahirana ao amin’ny kaominina Ivato ny ben’ny Tanàna ao an-toerana, Randrianarisoa Penjy.
Fianakaviana miisa 850, avy amin’ny fokontany 13 (K1 hatramin’ny K7, Ivato Aéro­port, Ilaivola, Ankadindravola, Tanambao, Mandrosoa, Am­bodirano) no nizarana vatsy ho fiatrehan’izy ireo ny fety. Nahitana vary, tsaramaso, paty, sira, kafe, siramamy, akondro, mofo…ireo sakafo natolotra.
Olona marefo ao anatin’ny kaominina izy ireo ary men­drika ny hifaly toy ny rehetra amin’izao faran’ny taona izao, raha ny nambaran’ny ben’ny Tanàna. Tsy ny Krismasy sy ny faran’ny taona ihany fa rehefa fetin’ny fahaleovantena koa dia misy ny fitsimbinana manokana azy ireny.
Avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa eo amin’ity tanàna ity sy ny malala-tanana no nahafahana nifarimbona nahatanteraka ny hetsika. Mandray anjara mavitrika ny orinasa sy mpiara-miombon’ antoka ho fampandrosoana ny mponina sy ny tanàna.
Hisy ihany koa ny fety ka­rakarain’ny kaominina amin’ny faran’ny taona, hitsenana ny taom-baovao izay hatao eo an-tokotanin’ny kaominina sy eny amin’ny fokontany Man­drosoa natao ho an’ny vahoaka rehetra ho fiaraha-mifaly.

Tatiana A

Partager sur: