Nahitana trangan’aretina nendran-gidro, (Mpox : Variole de singe), miisa dimy tany Mahajanga, omaly, raha ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka. Taorian’ny fitiliana ny tranga nataon’ny Laboratoire des analyses médicales de Madagascar (LA2M) sy ny Institut pasteur de Madagascar, ny 29 desambra 2025 lasa teo. Tao amin’ny fokontany Ambovoalanana, distrikan’i Mahajanga I, Faritra Boeny, ny toerana nahitana ireo tranga. Miantso ny vahoaka ho mailo ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Efa manatrika fitsaboana ireo marary. Manoloana io tranga io, natsangana ny Centre des opérations d’urgence de santé publique (Cousp), izay miandraikitra ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny aretina eny ifotony. Mba hanamafisana ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina, arahi-maso ireo olona nifandray tamin’ny marary, satria mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana mivantana (firaisana ara-nofo, ratra na tsiranoka) amin’ny vatan’ny marary ny tsimokaretina Mpox. Entanina ny rehetra mba hanasa tanana matetika amin’ny rano sy savony, mba hisorohana ny fifindran’ny aretina. Sorohina ihany koa ny fifandraisana akaiky amin’ny olona misy soritraretina. “Aretina tsy mahamenatra ary azo tsaboina tsara ny Mpox”, hoy ny Dr Managna Monira, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Ahitana mibontsina eny amin’ny vatana, tarehy, tanana, ny faladia sy ny toerana hafa ny fomba fisehon’io aretina io.
Mino




