Hita faty teo am-bodihazo iray, teny amoron-dranomasina ampitan’ny tetezana mankany amin’ny Hopitaly Be, ny alin’ny zoma 26 desambra hifoha ny sabotsy teo, ny raim-pianakaviana iray. Hita nitsitra efa tsy nisy aina intsony niaraka tamin’ny fitaovana mbola teny aminy izy. Mpanjono hafa handeha handriaka maraina no nahita ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io ka nampandre ny tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana, niaraka tamin’ny mpitsabo. Vokatry ny tsy fisakafoanana nefa niboboka toaka ny antony nahafaty ity rangahy ity, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo ny razana.
Mpanjono io rangahy hita faty io ary mpivarotra ny vokatra azony ny vadiny. Niaraka nisotrosotro toaka gasy tao Analankinina, Hopitaly Be, izy roa sy ireo namana maro rehefa tsaratsara ny tsena. Nitrangana fifamaliana kely anefa teo amin’izy mivady, nandritra izany. Araka ny loharanom-baovao, mbola tsy nisakafo atoandro izy roa ary nangataka vola hividianana sakafo hatao tsindrin-toaka ilay rangahy nefa tsy nomen’ ilay ramatoa. Tezitra noho izany, izy ka nampidina ny lakany
ho any an-dranomasina. Tsy tonga nody tao an-trano ity farany ny alin’io fotoana io ary izao hita faty izao ny maraina.
Sajo




