Basikety-Analamanga: hamerina ny firaisankinan’ny ligy sy seksionina ny filoha vaovao

Ny famerenana ny firaisankinan’ny ligy sy ireo seksionina mandrafitra azy no vina lehibe voalohany hapetraky ny filohan’ny ligin’Analamanga vaovao, Maître Ratovonjanahary Haingo Mampionona, amin’izao fandraisany ny fitantanana izao. Mialoha izay anefa, asa miandry ny fanaovana ny sata sy ny fitsipika anatiny mifehy ny ligin’Ana­lamanga.

Miankina amin’ny firaisankina no hanatrarana ny tanjona iombonana: ny fampandrosoana ny taranja basikety eto Anala­manga, araka ny nambaran’ny filohan’ny Ligin’Analamanga, Maître Ratovonjanahary Ha­ingo Mampionona. Izany in­drindra no nametrahany ho laharam-pahamehana izay famerenana ny firaisankina eo amin’ny ligy sy ny seksionina izay. “Rehefa mitambatra sy mahay miara-miasa ny ekipa dia mandeha ho azy daholo ny ambiny”, hoy ny nohamafisiny. Efa nisy ny tsara vita tamin’ny fitantanana teo aloha ary hotohizana izany. Hare­nina kosa ny lesoka ka hojerena ny eo amin’ny lafiny fikarakarana fifaninanana sy ny eo amin’ny lafiny fitsarana lalao. Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny basikety rahateo ity filoha vaovao ity. Efa sekretera jeneralin’ny ligin’Analamanga teo aloha, mpanazatra, mpilalao ary mpitsara, ka vonona ny hitondra ny traikefany.

Hisokatra amin’ny Nosy rahavavy

Vina lavitr’ezaka ny hiseharana amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo ligy manodidina
eto amin’ny ranomasimbe In­dia­nina, toa ny La Réunion, Mayottes ary Maorisy. Hisy ny fikarakarana lalao ho an’ny ankizy, hahafahana manatanteraka ity vina ity. Ankoatra izay, fanamby apetraka ihany koa ny fampitoviana lenta ho an’ireo seksionina rehetra amin’ny lafiny rehetra. Ohatra amin’izany ny fanentanana amin’ny hampitomboana ny isan’ny klioba, satria raha ny eto Antananarivo Renivohitra izao, mahatratra 95 ny isan’ny klioba ka irariana hiroborobo toy izany koa ny any amin’ny seksionina hafa, araka ny nambarany.
Tsiahivina, notontosaina ny sabotsy 29 desambra teo, teny amin’ny Bulding Com­plexe scolaire Ampefiloha, ny fifidianana ny filoha sy birao handrafitra ny ligin’Anala­man­ga, taranja basikety, hi­tan­tana mandritra ny 4 taona manaraka. Lany tamin’izany, Maître Rato­vonjanahary Haingo Ma­mpi­onona, rehefa nofidian’ireo ligy 4 tamin’ireo ligy 5 tonga nifidy (Tana-Ville, Atsimon­drano, Manjakandriana, Ava­radrano, Ambohidratrimo). Ny kandidà Rakotomavo Mami­soa Lalaina, filohan’ny seksionina Tana-Ville teo aloha kosa dia nahazo vato iray, raha toa ka nisintona ny firotsahan-kofidina tamin’ny ora farany, Andrianarivelo Faly Hervé.

Mi.Raz

Partager sur: