MPITSARA AO AMIN’NY FIFA: Niampy fito indray ny Malagasy

Nitombo isa ny matihanina! Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasionina iraisam-pirenena ny baolina kitra (Fifa), ny lisitr’ireo mpitsara maneran-tany mpikambana ao aminy. Manana solontena 21 mianadahy i Madagasikara amin’izany, ka ny fito amin’izy ireo, dia sambany no hiditra amin’izany sehatra tahaka izao.
Araka ny fikarohana natao omaly, miisa enina ny mpitsara afovoany, ka Andrianaivoarison Hery Tiana, lehilahy sy i Livaharivony Virginia Elodie, vehivavy, no vaovao amin’izany. 12 isa kosa ny Malagasy mpanampy mpitsara, ka ry Ravoavy Hasinoro Fitiavana sy Rakotonandrasana Jocelyn, ny lehilahy vaovao anatin’izany.
Nahazo mpitantana ny lalao “Futsal” roa mianadahy kosa ny Malagasy, dia ry Deraina Olitina Marie Christia, vehivavy, sy Ratovondramiadana Josin Cedrasse, lehilahy. Niampy an’i Tongamarina Gabin, lehilahy, kosa ny mpandrindra ny lalao ho an’ny baolina kitra eny ambony torapasika, “Beach Soccer”.
Manakarena mpitsara, araka izany, ny Malagasy. Azo hantenaina izany ankehitriny fa hihena ny olana mahakasika ny fomba fitsarana ny lalao mandritra ny fifanintsanana nasionaly eto an-toerana, ary hanome haja azy ireo ny mpitantana baolina kitra isan-tsokajiny eto Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: