-Maitre Razanajatovo Gildas, Tale Teknika Nasionaly ny taranja Muay Thai : “Miarahaba ny fianakaviamben’ny mpanao fanatanjahantena malagasy nahatosika iny taona 2025 lasa iny. Maro ny nifamahofaho, maro ny fifaninanana, nisy ny tsara ary nisy ny tsy lavorary nefa Mbola mijoro foana. Ho an’ny taranja Muay thai, maro ny dingana vita ary nahafinaritra amin’ny ankapobeny na nisy aza ny sakantsakana isan-karazany. Mbola mahavita tsaratsara kokoa isika raha mitambatra. Muay thai tsy maintsy mandroso raha miara-mandroso sy miara-mamindra”.
-Nomenjanahary Brenda, tompondraikitry ny basikety 3×3 eo anivon’ny FMBB: “Maro ny fifaninanana natrehan’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja basikety tamin’iny taona 2025 iny. Anisan’ny nanamarika antsika farany ny Naha tompondakan’i Afrika, tamin’ny basikety 3×3, sokajy zazalahy sy zazavavy. Taona vaovao, tanjona vaovao, mirary fahombiazana sy fandresena ho an’ny basikety malagasy, indrindra ny basikety lalaovin’olona telo.
-Randriamiandrisoa Nicolas, mpikatroka taekwondo sy mpitantana ny klioban’ny “Randriam Taekwondobg: “Miarahaba ny mpanao fanantanjahantena malagasy rehetra tsy ankanavaka ny tenako na inona na inona fanatanjahantena hataony. Enga anie hitondra fahombiazana sy fandresena ho antsika rehetra ity taona 2026 ity.
Mi.Raz




