SOMBIM-BAOVAO

Tsy hatao eto Madagasikara indray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors, amin’ity taona 2026 ity, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina ny taranja karate eto Afrika (UFAK), taorian’ny fivoriana notanterahina ny herinandro lasa teo. Araka ny fantatra, i Alzeria indray no handray izany, ary nanambara fa vonona izy ireo ny amin’izany.

Norombahan-dRazanadrakotoarisoa Toavina (Club MCG), ny anaram-boninahitra teo amin’ny Rapide sy Blitz, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja Échecs, natao teny Andranobevava ny herinandro lasa teo. Nahatratra 62 ny mpifaninana teo amin’ny Rapide, raha toa ka 53 kosa ny mpandray anjara tamin’ny Blitz, nandritra ity fifaninanana ity.

Mandritra ity taona vaovao ity, maro ireo fifanintsanana iraisam-pirenena miandry ny Malagasy. Ny tena akaiky indrindra izao dia ny fihatrehan’ny Makis Sevens, lehilahy, ny fifanintsanana maneran-tany, any Dubai. Efa ao anatin’ny fanoman-tena tanteraka izy ireo, ary manantena fanampiana avy amin’ny fanjakana sy ny minisitera mpiahy.

Partager sur: