Tafakatra 16 ny trangana Mpox voamarina ao Mahajanga hatramin’ny faran’ny taona. Azo tsaboina ny aretina, azo sorohina ihany koa. Efa mandray ny andraikiny ny minisitera.
Manoloana ny fihanaky ny Mpox, nisy ny fivoriana maika sy famelabelarana ofisialy momba ny nendran-drajako teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voalaza fa olana ara-pahasalamana maneran-tany izy io fa tsy tranga maninga eto Madagasikara akory. Mifindra amin’ny alalan’ny fifandraisana akaiky amin’ny olona na biby voan’ny aretina ny Mpox. Manafaingana azy ny fifampikasohana amin’ny alalan’ny fikasihana mivantana ny fery amin’ny hoditra, ny tsiranoka avy amin’ny vatana ary ny zavatra efa voapoizina. Notsindriana ny maha zava-dehibe ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fahamailoana amin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Ho fiarovana sy fisorohana amin’ny aretina, mandray an-tanana ny mpiasan’ny fahasalamana sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-borosy sy ny seranam-piaramanidina.
Miomana avokoa
Manoloana ny fidiran’ity valanaretina ity eto Madagasikara, nivory maika ny Organe mixte de conception (OMC) miaraka amin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalam-bahoaka ho an’ny faritra Androy. Nivoitra, araka izany, ny fiomanana sy fandraisana andraikitra rehetra raha sanatria misy tranga na soritr’aretina mampiahiahy ato amin’ny faritra. Nandray anjara sy nanolo-kevitra tamin’izany ny lehiben’ny faritra Dr Raharijaona Djiby Jean Berthinot. Tafapetraka ny 1 janoary lasa teo ny sakana ara-pahasalamana ao Ambovombe iarahan’ny mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo OMC, izay tarihin’ny lehiben’ny faritra Androy. Eny amin’ny pilaky no nanatanterahana ny hetsika ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
Ho an’ny faritra Atsinanana, mazava ny hafatry ny lehiben’ny fileovan’i Toamasina fa na tsy mbola misy trangan’aretina Mpox aza ao Toamasina, mandray andraikitra avy hatrany ireo tomponandraikitrim-panjakana rehetra ho an’ny fahasalamam-bahoaka”. Nampivorina ihany koa ireo sefo fokontany sy ny mpanao gazety rehetra any an-toerana.
Vonjy




