Andrianjafy Stenny no zaza teraka voalohany ny taona 2026, tao amin’ny Maternité Befelatanana tamin’ny 1 ora sy 57 minitra maraina. Zazavavikely milanja 3 kg izy ary teraka tsy nodidiany ny reniny. Nizotra tsara tsy nisy olana ny fiterahana, araka ny fanazavan’ny mpampivelona. Zana-dRazanakoto Françoise Victorine izy. Mipetraka eny amin’ny kaominina Ambalavao Ambatofotsy Atsimondrano. Zanaka voalohany i Stenny. 19 taona ny reniny ary samy miasa izy mivady.
Taorian’io zazavavy io, miisa enina ny zaza teraka ny 1 janoary tao amin’ny toeram-piterahana Befelatanana hatramin’ny 4 ora hariva. Ao amin’ny hopitaly ihany no atao ny fanambarana ny fahaterahana hisorohana ny fampivezivezena ny fianakaviana sy hanamorana ny fahazoana ny kopia ho an’ny zaza teraka rehetra.
Vonjy




