Fandraisana fisotroan-dronono: Mila hajaina ny tetiandro ialana amin’ny fitangoronana

Efa nivoaka ny tetiandro fakana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona eto Analamanga. Mitsinjara araka ny laharana efa nalamina izay mba tsy hisian’ny fitangoronana mihoapampana indrindra amin’ireo mampirongatra ny valanaretina izao.
Ho an’ireo mandray ny vola fisotroan-dronono eny amin’ny perceptions princiales (PP) sy ny eny amin’ny Treso­rerie principale (TP), ary ny eny amin’ny Trésorerie Princi­pale Inter-communale (TPIC) dia efa mazava ny lamina.
Hanomboka ny zoma 9 janoary izao ny fizarana ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 0- 1- 2. Anjaran’ ireo manana laharana miafara amin’ny 3-4-5 kosa manomboka ny alatsinainy 12 janoary. Mitohy ny talata 13 janoary izany ho an’ireo laharana miafara amin’ny 6-7-8-9.
Ny miafara amin’ny A-B-C-D-E kosa ny alarobia 14 ja­noary.
Manomboka ny alakamisy 15 janoary no mandray ireo izay mitondra “procuration” sy ireo taraiky.
Eny amin’ny Paierie Géné­rale d’Antananarivo sy ny Re­cette Générale d’Antanana­rivo eny Antaninarenina kosa dia ny laharana miafara amin’ny 0- 1- 2- 3- 4-5 no mandray ny zoma 9 janoary. Ny miafara amin’ny 6- 7-8-9-A-B kosa no maka ny anjarany ny alatsinainy 12 janoary. Ny 13 janoary no mandray ny azy ireo manana laharana miafara amin’ny C- D-E-F.

Tatiana A

Partager sur: