Hanamarika ity taona 2026 ity, ny fifidianana izay ho mpitantana eo anivon’ny ligy sy federasionina, ho an’ny taranja atletisma. Araka ny tetiandro navoakan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), hotanterahina ny zoma 13 febroary ho avy izao, eto Antananarivo ny fifidianana izay ho filoha hitantana indray ny federasionina malagasy (FMA), ho an’ny taom-piasana manaraka. Efa nisokatra ny filatsahan-kofidiana ho an’ireo kandidà maniry hifaninana amin’izany, izay hifarana ny talata 20 janoary ho avy izao. Aorian’io, handinika ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana rehetra ny vaomieram-pifidianana ka raha tsy misy ny fiovana, hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy mialoha ny faran’ity volana janoary ity, ny anaran’ ireo kandidà nahafeno ny fepetra. Hatreto aloha tsy mbola misy mitonona ho mpifaninana amin’izany toeran’ny filohan’ny federasiona izany.
Mandra-piandry izany, hotontosaina ny 13 ka hatramin’ny 15 janoary ho avy izao kosa ny an’ireo filohan’ny ligim-paritra rehetra ka afaka misafidy izay daty tiany ny tsirairay. Efa tapitra tamin’ny 30 desambra 2025 ny filatsahan-kofidiana. Kandidà tokana ihany ny an’Analamanga dia Andriamahery Fanomezantsoa. Tsiahivina fa seksiona dimy no handatsa-bato ho an’io ligy io dia Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo ary Manjakandriana.
Tompondaka




