Tsy mora ny iatrehan’ny ankizy sy ny tanora ny karazana herisetra any an-tsekoly. Mety hiafara amin’ny famoizam-po izany rehefa tena mafy ny fanafihana.
Nanaitra ny sain’ny ray aman-dreny ny fiparitahan’ny vaovao mahakasika ilay ankizy niharan’ny herisetra an-tsekoly ka tratran’ny fahakiviana ary mahatsiaro ho very hevitra ka tsy mahafantatra ny tokony hatao. Niala ny sekoly sy trano fonenany ilay ankizy ary nanaovana fampitadiavana tamin’ny tambazotran-tserasera.
Niteraka fanairana ho an’ ny ray aman-dreny iny tranga iny fa eo koa ny sekoly sy ny ankizy mihitsy samy tomponandraikitra feno amin’ny zava-misy mampikorontana ny sain’ny namana.
Tsy vitsy ny ankizy na tanora miaina anaty herisetra any an-tsekoly na ara-batana izany na ara-tsaina. Matetika tsy sahy mitaraina fa miaritra kanefa miteraka ratra anaty ary mety hanova ny fiainan’ ilay ankizy mihitsy izany herisetra izany.
Fahalainana hanohy hianatra, tahotra sy tebiteby lava, fihemorana amin’ny fianarana, fihenan’ny fifantohana, faharatsian’ny naoty… Anisan’ny voka-dratsin’ny herisetra an-tsekoly avokoa izany.
Rehefa tsy misy fandraisana andraikitra, miafara amin’ ny fahaketrahana ara-tsaina mahazo ilay ankizy na tanora iharan’ny herisetra. Mitarika any amin’ny fikorontanana ara-pihetsem-po na ara-tsaina mihitsy ary heverina ny fiafarana any amin’ny fampizam-po sy famonoan-tena;
Tena zava-doza ny vokatry ny herisetra an-tsekoly. Na lahy na vavy mety iharan’izany. Mety ho avy amin’ny mpampianatra fa mety ho avy amin’ ny namana mpiara-mianatra na iray sekoly ihany koa izany.
Tsy tokony ambanin-javatra, araka izany, ny fitarainan’ ny ankizy fa ifampiresahana sy itadiavana vahaolana. Na ny fialana amin’ilay sekoly aza no hahafahana manavotra ilay ankizy dia atao rehafa tena tsy maintsy, raha ny hevitry ny ray aman-dreny sasany naneho hevitra.
Tatiana A




